Malagassiska

Faly mandray anao ny CE Soeda

Manampy ny mpandraharaha maneran-tany hitrandraka ny tontolo ara-barotra misy eto Soeda no lahasanay. Mandany fotoana tokoa ny mpanolo-tsaina ato aminay amin’ny fandinihana ny orinasanao, ny teknolojia ampiasainao ary ny tanjona izay kasain’ny orinasanao. Mifandraika hatrany amin’ny filàn’ny orinasanao manokana ny tolotra omenay.
’Ndao hiara-hiasa aminay. Vonona hatrany izahay ny hanoro anao.

1 Soeda no firenena voalohany maneran-tany amin’ny fandraharahana – tany mamokatra ho an’ny mpampiasa vola, araka ny gazety Forbes

2 Misanda 56 956 dolara ny harin-karena faobe isam-batan’olona aty Soeda – farim-piainana ambony indrindra maneran-tany

3 Toe-karena nomerika mandroso indrindra aty Eoropa, fiaraha-monina mandroso indrindra tsy mampiasa vola taratasy

4 Manjaka tanteraka amin’ny toe-karena soedoa ny fifaninanana araka ny tondro ”Indice de la Compétitivité Mondiale”

5 Firenena mivoatra indrindra ao anatin’ny vondrona eoropeana i Soeda amin’ny fananany salan’isa ambony indrindra amin’ny patanty isam-batan’olona

6 Tsara toerana i Soeda amin’ny fahatratrarana ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra izay navoakan’ny Firenena Mikambana

ASA FAKAN-KEVITRA

FITSIRIHANA TSENAM-BAROTRA

FIKAROHANA

BIRAO VIRTOALY

ASA FANDIKAN-TENY

0
TAONA NIASANA
0
MPIARA-MIASA MATIHANINA
0
MPANJIFA MAHAFATRA-PO
0 %
FAHAFAHAM-PO AZO ANTOKA
Vahaolana manokana
Mpandraharaha iray, tetikasa iray - Vonona izahay ny hanome hatrany vahaolana mifandraika amin'ny tsirairay, na amin'ny lafiny filàna manokana na amin'ny tanjona kasain'ny tsirairay
Fiaraha-miasa amin'ny eto an-toerana
Tombony ho anay ny fifandraisanay akaiky amin'ny sampana governemanta, biraom-panjakana ary orinasa soedoa eto an-toerana, izay ahafahanay mamaha amin'ny fomba aingana sy mazava ny olanao
Sitraho ny traikefa anananay
Manampy anao izahay ahombiazanao - Ny raki-kevitra nangoninay nandritra ny taona maro no fanalahidy amin'ny fahombiazanao aty Soeda
Fandrafesana sy raki-kevitra
Ny paikady rehetra omban'asa izay atolotray no lala-mazava ahafahanao mandrefy ny vokatra azonao amin'ny alalan'ny fandraharahana ataonao sy ny tanjona ara-barotra kasainao
Tao-raharaha lafatra
Azo tarafina mivantana amin'ny vokatra azonay ny kalitaon'ny tolotra omenay, toy izany koa ny fahombiazanao - Manampy anao amin'ny lafiny rehetra izahay

Vaovao farany

Loading RSS Feed
Zahao ka trandraho!

Mifandraisa aminay raha te ahafantatra bebe kokoa

error: Innehållet är skyddat!